<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Andriamanitra ô, Ray
 Mpamindra fo !
 Avy mankalaza Anao
 tokoa izahay ;
 N'inon'inona midona,
 zavatra manjo
 Eo ambany elatrao,
 matoky izahay.
 Mamindrà fo amiko,
 Andriamanitra ô !
 Avelao ny heloko,
 Jeso Mpamonjy ô !
 Hazavao ny lalako,
 Fanahy Masina ô !
 Fa izay no fahasambaran'
 ny fanahiko.

[V2]
 Jeso Kristy Tompo sy
 Zokinay,
 Miaraka Aminao
 afa-tahotra tokoa,
 Hetraketrakin'ny tany
 tsy hanimba anay,
 Izay mialoka Aminao
 ho ampoky ny soa,
 Mamindrà fo ..sns.

[V3]
 Ry Fanahy Masina
 Mpanavao,
 Hazavao re, ny ao am-poko
 miafina ao
 Ka ny lalana ombàko mba
 tarihonao,
 Ny ota mahazatra mba levony
 koa ho lao,
 Mamindrà fo ..sns.</lyrics>
<title>Andriamanitra o, Ray Mpamindra fo FFPM421</title>
<hymn_number>421</hymn_number>
<author>D. Raseta</author>
</song>